|
|
|
|

Entry1  Tsy tanim-pahoriana
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4  Rafanoharana
Full text 
5  Ry olo-mitomany 6  Misentosento lava, 7  Milaza fa ny tany 8  Feno haizin-tsy misava!
9  Moa marina e izany? 10  Moa tena fahoriana 11  No hita hatrany hatrany, 12  Fa tsy mba fifaliana?
13  Ry olo-mitomany, 14  Mitrakà vetivety: 15  Dinihonao ny tany 16  Miravo sy mifety!
17  'Reo tendrombohitra avo, 18  Havoana marobe; 19  Ny vato mena, mavo, 20  Tsy tena kanto ve?
21  He' rony koa ny ala, 22  Indreo ny renirano; 23  Moa mampisalasala 24  Fa tsara ireo? … Tazano!
25  Jereo ny zaridaina, 26  Todiho ny lohasaha; 27  Tsy faly ve ny saina? 28  Endrey maha-te-hizaha!
29  Ireo izay nambolena 30  Dia vokatra isan-taona. 31  Salama koa ny tena; 32  Nahoana no hisaona?
33  Tsy tanim-pahoriana 34  'Zao tanintsika izao! 35  Vonoy ny hakiviana; 36  Ho sambatra ianao!
37  Fotoana isentoana 38  Tsy betsaka tsy akory; 39  Minitra vitsy foana 40  Dia lasa ny mahory!
41  Ny ora maro sisa 42  Dia feno fitahiana, 43  Koa zovy no hanisa 44  'Reo poti-pijaliana?

Updated on 2025/05/06